Mangina
Manjavonjavona
Marain-dririnina
Mangatsiaka
Manerikerika
Alin-dririnina
Mihisàna ary aty
Hifampiankina
Haka hafanana akia
Hifaneritery amoron’afo eto isika
Ireto rahona
Ahiako tsy hisava
Hanjombona ny lanitra
Hiondrikondrika aho
Ho maloka endrika aho, hoy aho
Fa diso maizina ny tany
Iangaviako ary ianao
Hanakaiky ahy
Hitady hazavana izao
Sao hamiratra hanjary ho masoandroko ianao
Na hisy ranomandry mihitsy aza
Rehefa tsy hety hifoha « Ingahy Masoandro »
Raha izay lohataona baliaka any akia
Tsy atakaloko ririnina raha…
Raha miaraka isika !
Tononkira : Lila Ratoveloniaina
Feony : Lila 🎵 Tsiry Ratoveloniaina
Tantara No.81
Tao Toulouse

En quelques lignes / In a few words
L’hiver
Le silence, la brume
Le froid et la nuit qui s’éternise
Ainsi va l’hiver !
Peut-être que la neige viendra poudrer nos pas
Et même si le jour se lève à regret
Le printemps, son soleil et ses fleurs, ne me tenteront pas
Tant que je suis dans tes bras
The winter
Beneath the winter’s frigid breath
Where snowflakes dance and winds do blow
Two hearts entwined could kindle warmth
And make the season’s glow.