In-tsivy isan’andro raha kely isika no mifanena
Voaisako anie
Roa na telo metatra no hany manelanelana
Ny ondantsika anie
Saingy ianao zara raha mijery ahy
Rehefa izaho mba mitsiky ery misarika anao
Io rindrina io
Aloha no iraisantsika
Mbola ambadika sy anila
Fa maniry mafy aho ny hiampita
Io rindrina io
No iankinana anio…
Nandeha nanaha lamba aho omaly tery an-davaranganay
Sady niantsaantsa
Kanjo ianao nipoitra teo am-baravarankelinareo
Dia tafajery ahy
Hoy ianao : « Tsara feo anie indry izany e! »
Amin’io aho mba mitsiky ery misarika anao
Mbà mitsikia fa misarika anao aho
Tononkira : Lila Ratoveloniaina
Feony : Lila 🎵 Tsiry Ratoveloniaina
Tantara No.90
09/09/2005 tao Toulouse
Nisy an’izay tovolahy izay, mpifanolobodirindrina taminay taloha. Dia nifampitazatazana teny foana izahay, nifanena matetika teny an’arabe. Topy kely menamenatra rehefa sendra mifanojo ny maso. Saingy tsy nisy nahasahy fa angamba samy nanonofy tany ambony ondany tany…
Angamba hoy aho !

En quelques lignes / In a few words
Ce mur
Plus d’une fois, nous nous sommes croisés
C’est tout juste si tu m’as remarquée
Pourtant, je te souris
Puis un jour, depuis ta fenêtre
Tu m’as entendu chantonner
Quelle jolie voix, me disais-tu !
Un jour je passerai de l’autre côté
De ce qui nous sépare
Ce mur…
This wall
In passing, our eyes meet
But you don’t see me
I smile, but you don’t smile back
One day, you heard me singing
From your window, you listened
You said, « What a lovely voice! »
One day, I’ll pass to the other side
Of this wall that separates us
This wall…