Tia

Eny

Eny ikalalila

Nanapa-kevitra ny farany aho
Sao diso aoriana tsy hahatratra anao
Resy lahatra ka tamy hilaza
Hamotsotra ny fo ela nandrasana

Eny ary hoy aho
Manaiky aho
Ny ho ilanao

Amin’ilay fiainana mandeha tsiroaroa
Ny eniko !

Tena nisaina aho, naka aina kely
Fa vonona amin’izay hankafy sy hisedra
Na hanjonitra na ho mirana
Tsy homeko lamosina ity anjara

Ka eny ary hoy aho
Manaiky aho
Ny ho ilanao

Amin’ilay fiainana mandeha tsiroaroa
Ny eniko !

Hatramin’ny faran’ny aiko
Ho silan’ny aiko

Fa eny ary hoy aho
Manaiky aho
Ny ho ilanao

Amin’ilay fiainana tsiroaroa
Ianao no ho vadiko…


Tantara No.66


15-16 jolay 2002 tao Amboavahy

Hira mifamaly izy ity tany am-piandohàna. Izaho sy i Tsiry no nampiaram-peo…

Amin’ilay fiainana mandeha tsiroaroa
~ Amin’ilay fiainana tsiroaroa
Ianao no hiravaka ny ilan’ny peratro
~ Ianao no ho vadiko
Manomboka anio
Ny « eniko »

Eny 🎧

En quelques lignes / In a few words


Oui

Avant qu’il ne soit pas trop tard…
Oui, je le veux !
Oui, pour la vie à deux

Yes

I have finally made up my mind
So let me say, « Yes » my love, I’ll be your other half, forevermore!

Photo credit

tubik.arts