Iny fa tazako mikoriana
Mikodia manaraka indray ny riaka
Handeha hamonjy renirano any
Ilay ranomaso nalatsako omaly
Tongany any izay ilay hafatro
Ireo alahelo nampitondraiko azy
Nentiny an-dranomasina any
Mba ho atakalony soa sy mamy
Any izy izay nivadika onja kely
Izaho aty mba efa lasa netinety
Iny, iny ! Jereo fa midola
Entin’ny onja mihataka mora
Efa nosoloiny tsiky mantsy
Ilay ranomaso nalatsako omaly
Feo sy tononkira : Lila Ratoveloniaina
Tantara No.57
18/07/01 – 12/08/01 tao Amboavahy
Tsy ampy valo ambin’ny folo taona aho no nifindra monina irery tany am-pitan-dranomasina, nandrato fianarana. Tsy mora ireo andro sy volana voalohany. Tena nahatsiaro very sy nanirery. Mbola nanano sarotra ny fifaneraserana tamin’izany. Zara raha nisy antso an-taroby. Taratasy no nosoratana. Indraindray tody, indraindray tsia. Be ny ranomaso nilatsaka. Saingy niverina ihany ny tsiky sy fanantenana !

En quelques lignes / In a few words
Les larmes du passé
Ainsi, les larmes du passé
Se sont évanouies
Pour rejoindre les rives
S’éloigner jusqu’à l’océan
Je les regarde partir
Et je retrouve le sourire
The tears of the past
Have the tears of the past
Flown away to join the sea?
I see them,
They ripple with the waves.
Goodbye sorrow,
They have brought back my joy!