Misy toerana izay ary
Tena Edena mihitsy
Minoa ahy
Sambatra eo noho eo izay tody hono
Tsy te hody intsony
Manaràha ahy
Efa itsy an’anona itsy ilay renirano
Sy saham-boninkazo
Dia haingakaingana ary
Sao ilaozan’ny olona eo
Avia, tarihiko mihitsy
Avia
Mikipia
Tsy tsapanao efa tsy mipai-tany ve
Ny tongotrao e ?
Mikipia
Tsy renao manafosafo ve
Ny tsiotsio-drivotra e ?
Ny tsotso-drivotra e…
Raha tsy saro-tahotra ianao
Entiko hitaingina lakana
Hiaraka amiko
Dia eny ambony lakana eny
Hijery masoandro mody
Sy hilalao lolo
Tazantsika avy eto ilay moron-drano
Sy saham-boninkazo
Dia atsy ambadika atsy
Misy tranolay malomaloka
Andao, hitsilailay any
Andao
Mikipia
Tsy tsapanao efa tsy mipai-tany ve
Ny tongotrao e ?
Mikipia
Tsy renao manafosafo ve
Ny tsiotsio-drivotra e ?
An-tanin’ny sambatra e !
Tononkira : Lila Ratoveloniaina
Feony : Lila 🎵 Tsiry Ratoveloniaina
Tantara No.87
Taona 2005 tao Toulouse
Izaho sy ilay zandriko izay no namorona ity hira mampanidina ity ! Mantasoa angamba no tao an-dohako tamin’ny nanoratra ny tonony, toerana nitondran’i Neny anay nanao lasy tamin’ny mbola kely… Saingy tsy tokana ary tsy raikitra io Edena resahiko io. Mihodina ny taona dia miova koa mantsy ilay « tanin’ny sambatra ». Akipio anie ny maso anie e !

En quelques lignes / In a few words
Au pays du bonheur
Je connais un endroit
Un vrai paradis
Crois-moi
Tous ceux qui parviennent à s’y rendre
Ne songent plus à repartir
Suis-moi
D’ici, j’entrevois le ruisseau
Et un champ de fleurs
Viens, je t’emmène
Ferme les yeux
Ne sens-tu pas comme si tu flottais ?
Ferme les yeux
Ne sens-tu pas la brise caresser ta peau ?
Au pays du bonheur…
The land of happiness
I know a place
A true paradise
Believe me
All who find it
Never want to leave
Follow me
From here, I can see the stream
And a field of flowers
Come with me
Close your eyes
Do you feel like you’re floating?
Close your eyes
Do you feel the breeze caress your skin?
In the land of happiness…