Ory, Sahiran-tsaina

Manangatra andro atoandro

Eo ary hoe
Hojereko
Ilay maratra e
Hotazaniko

Ilay mampijaly anao isan’andro
Isan’andro, isak’alina
Ilay tsy ahitànao tory
Manangatra andro atoandro
Mankahia, mampahory

Saika tsy hanelingelina ihany aho
Hamela anao hiady irery ao
Saingy ilay mihidy aman-trano
Tsy hampisava ny tahotrao

Aza miondrika
Izaho ito
Aza mangovitra
Izaho ihany ito

Ilay azonao ihantahantàna
Na fihininina mafy
Tsy misy ambara firy
Mba te hahita anao mitsiky fotsiny
Manadino ny hirifiry


Tantara No.99


27/12/2022 tao Fumel

Rehefa olona iray akaikin’ny fo, sombin’ny aina no manjombona !

Tsy ny lanitrao no matroka fa ny azy
Tsy ahitàna mangirana
Na atoandro na alina,
Manangatra
Mihatra aman’aina
Ny adintsaina
Ny fahoriana
Ny ahiahy
Misavorovoro
Satry hampamirana azy…

Manangatra andro atoandro ~ikalalila
Manangatra andro atoandro 🎧

En quelques lignes / In a few words


La pensée qui te tourmente

Tes idées noires t’enveloppent comme un brouillard épais, obscurcissant la vue et l’espoir.

Hanté par tes angoisses et tes cauchemars, tu te réfugies dans ton monde, sombre

Si mes mots semblent maladroits
Sache que ma tendresse pour toi est infinie.
Puisse-t-elle être la douceur qui calme tes tourments et te rend ton sourire !

The thought that torments you

Your dark thoughts engulf you like a thick fog, obscuring your vision and hope.

Haunted by your anxieties and nightmares, you take refuge in your own dark world.

Though my words may stumble
My heart overflows with tenderness for you.
May it be the balm that soothes your sorrows and restores your smile!

Photo credit

Georgia Kyriakidou